Manomboka androany ny fanaovana vaksiny fanefitry ny covid-19 ao Matsiatra Ambony
Efa noezahana naparitaka manerana ny nosy ny vaksiny Covishield izay fanefitry ny coronavirus nanomboka ny 8 may nahatongavan’izy ity teto Madagasikara. Tsy diso anjara amin’izany vaksiny izany ny amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny izay nisitraka ny vaksininy ihany koa. Androany 19 may no natomboka tamin’ny fomba oisiaky arak’izany ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny coronavirus any amin’iny faritra iny. Nisantatra izany fanaovam-baksiny izany ny mpiasan’ny fahasalamana, ny mpitandro ny filaminana ary ireo marefo ara-pahasalamana sy ny be antitra. Maro ireo andrim-panjakana ao Fianaratsoa tonga nanome voninahitra ity fisokafana amin’ny fomba ofisialy ity, toy ny solombavam-bahoaka, ny ben’ny tanàna, ny sekretera jeneralin’ny faritra, ny prefet-n’i Fianaratsoa ary ny talem-paritry ny fahasalamana. Ny faritra Matsiatra Ambony izay nahatarafana fiakaran’ny tahan’ireo marary teo aloha teo arak any nambaran’ny CCO Haute Matsiatra. Ao aorian’ity fanaovam-baksiny ireo mpiasan’ny fahsalamana, mpitandro ny filaminana, ireo marefo ara-pahasalamana sy ireo be antitra ity moa, vinavinaina ho avy tsy ho ela any vaksiny ho an’ny daholobe any amin’iny faritra iny.
Ally Herisoananahary
