Miandry ny fitsarana azy ilay lehilahy nangalatra vola 20 tapitrisa ariary
Tsy kely lalàna ny ratsy ary indraindray aza ireo olona hametrahana fitokiana sy ao an-trano ihany no mamorika. Toy ity tranga niseho teny Ambatoroka Antananarivo ity. Efa nahiditra am-ponja ny 17 may lasa teo ilay zazalahy izay tratra nangalatra vola 20 tapitrisa ariary tao an-tranon’ny mpampiasa azy ary hiakatra fitsarana tsy hoe ela. Raha tsiahivina, ny 12 may teo ity zazalahy ity no nanararaotra ny fandehanan’ireo mpampiasa azy nandevina ka nangalatra io vola be io ary nitsoaka nankany amin’ny dadakeliny tany Vatofotsy Antsirabe avy eo. Ny ampitson’io halatra be vava nataony io, nividy biskileta lafovidy izy ary nody tany amin’ny tanindrazany any Sahanivotry. Noho ny fiaraha-miasan’ny manam-pahefana sy ireo olona nanera nampiditra azy niasa no nahafantarana izay misy ilay raikelny ary io no nanoro izay misy azy. Ny 17 may teo no vosambotra tao Masoandro Sahanivotry izy miaraka amin’ny vola sisa tavela sy fitaovana maro samihafa izay efa natolotra ny tompony avokoa. Nahiditra am-ponja avy hatrany kosa ity tovolahy ity ary mbola miandry ny fitsarana azy hatreto. Samy manana ny manahirana azy ny vahoaka, samy manana ny krizy mampijaly azy koa, smay manao izay ahatafavoaka azy ka manjary manaonao foana ny sasany.
Ally Herisoananahary
