ActualitésTatitra

Maurice : Nikasika ny toe-karena ny fihenan’ny mpizahantany

Nampihena be ny toe-karena any Maurice ny fihenan’ny avy ao amin’ny sehatry ny fizahantany satria nampihena hatramin’ny 99% izany nanomboka ny janoary ka hatramin’ny aprily 2021. Tsy latsaky ny Rs 94,4 Miliara no vola nampidirin’ny fizahan-tany tamin’ny taona 2019 raha ny antontan’isa navoakan’ny World Travel and Tourisme Council. Tsy ampy araka izany ny Produit Intérieur Brut na ny PIB (harinkarena faobe) ho an’ny firenena ka izao nampitotongana ny ara-toe-karena izao. Saingy tsy nataon’ireo mpisehatra anatin’izany handiso fanantenana sy hahakivy anefa izany satria ho hamafisin’izy ireo ho tsara noho ny teo aloha izany aorian’izao aretina Covid-19 izao. Vao mainka mampisy fanantenana azy ireo ny fanaovana vaksiny ka hanafaingana ny famoahana indray ny sisin-tany izay hampanarahana tsara ny fepetra hentitra.

Laisser un commentaire