ActualitésTatitra

France : Nanamarika ny fiverenan’ny fahafahana manao fampisehoana i Jane Birkin

Nanao fampisehoana miavaka ny mpihira Jane Birkin tao Vannes. Hatramin’ny nisokafan’ny trano fanaovana fampisehoana dia anisan’ny fampisehopana voalohany mey ny nataon’ity mpanakanto ity omaly 24 may. Nanana ny fomba nahazatra azy i Jane Nandritra ny folo andro nipetrahany tao Théâtre Snènes du gofle, tao Vannes. Nametraka ny fanantenany ny mba hanao fampisehoana miavaka hatrany izy hanamarihana ny fisokafan’ny trano fanaovana fampisehoana indray izay nikatona nandritra ny fotoana maharitra noho ny krizy ara-pahasalamana. “Nanao fahagagana kely izahay taorinan’izay fotoana naharitra ela izay” hoy ny talen’ny théâtre, Ghislaine Gouby. Nanomboka tamin’ny fisokafana ny 19 mey lasa teo, Anisany fampisehoana namela tantara ny nataon’i Jane Birkin.

Laisser un commentaire