Mali : Governemanta tetezamita vaovao
Voafidy ny alatsinainy 24 may lasa teo izay hitantana mandritra ny tetezamita any Mali ary mbola hita fa mitana ny fahefana hatrany ny miaramila amin’izany governemanta vaovao izany. 25 no isan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta taorian’ny fialan’ireo ekipa teo aloha ny 14 may lasa teo hoy ny Praiminisitry ny tetezamita Moctar Ouane. I Bah Ndaw izay kolonely misotro ronono no voafidy ho filohan’ny tetezamita. Misy olona roa nanongana an’i filoha Ibrahim Boubacar ny 18 aogosotra lasa teo teo amin’ny fitondrana, kolonely Sadio Camara sy Kolonely Modibo Kone, voatendry ho eo amin’ny andraikitra filaminana sy fiarovam-pirenena. Mandritra ny 18 volana eoeo ny faharetan’ity fitondrana tetezamita ity raha be indrindra. Amin’ny 31 oktobra izao no vinavina hanaovana ny fitsapahan-kevi-bahoaka ary any amin’ny martsa 2022 any no hanaovana ny fifidianana.
