Myanmar : Niseho am-pahibemaso i Aung San Suu Kyi
Tsy niseho vahoaka mihitsy i Aung San Suu Kyu, 75 taona, hatramin’izay nisamborana azy ny 1 febroary lasa teo taorian’ny nitrangan’ny fanonganam-panjakana goavana tany Birmanie. Mpitondra an’i Birmanie teo aloha i Aung San Suu Kyi ary nahazo ny fahefana noho ny fanonganam-panjakana. Nahazo alalana amin’izay izy omaly 24 may ny mba hihaonany amin’ireo mpisolovava azy satria natoka-monina nandritra ny 16 herinandro izy ka tsy nahazo nifanerasera aman’olona mihitsy. Tsy nahazo vaovao niosy tao amin’ny fireneny izy nandritra izany. Isan’ny nanenjehana azy ny fanaovana osoka nandritra ny fifidianana tamin’ny Novambra lasa teo izay nandrombahan’ny antokony ny vato betsaka indrindra, « Ligue Nationale pour la Démocratie ». Tsy ampy anefa ny fotoana hifampiresahana satria tsy manana afatsy 30 min isakin’ny raharaha iray izy ireo hoy ny mpisolovavany Khin Maung Zaw. Ary mbola nilaza aza ity mpisolovava ity fa hitohy foana ity antoko ity raha mbola misy ihany koa ny vahoaka satria naorina ho an’ny vahoaka ny antoko. Raha tsiahivina, nahafatesana olona maherin’ny 4 000 sy mpitolona 818 ilay fanonganam-panjakana efa-bolana lasa izay satria nampiasa bala tena izy ny polisy sy ny miaramila.
