ActualitésTatitra

France : Iza moa i Simone de Beauvoir ?

Filozofa, mpanoratra tantara, « mémorialiste » ary « essayiste » i Simone de Beauvoir. Teraka ny 9 janoary 1908 tao Paris izy ary maty ny 14 aprily 1986 tao an-toerana ihany. Nifampizara ny fiainany tamin’i Jean-Paul Sartre i Simone de Beauvoir ary na dia nifanakaiky aza ny fomba fijerin’izy ireo dia mifangaro.

Voasokajy ho isan’ny « théoricienne » nanana anjara toerana lehibe tamin’ny feminisma i Simone de Beauvoir indrindra tamin’ny lalan’ny bokiny « Le Deuxième Sexe » nivoaka tamin’ny taona 1949. Nandray anjara tamin’ny hetsika fanafahana ny vehivavy ihany koa izy tamin’ny taona 1970.

Isan’ny asa soratra fototr’io mpanoratra io ny « L’Invitée » (1943) sy « Le Sang des autres » (1945). Anisan’ireo be mpamaky indrindra eran-tany ny sangan’asany.

Laisser un commentaire