ActualitésTsidika

Ambatondrazaka : Jiolahy roa nodorana velona ka tsy mety maty ny iray tamin’izy ireo

Efa tena jiolahy rain-dahiny tokoa matoa hanaovan’ny olona fitsaram-bahoaka sady hanaovana habibiana toy izao. Efa leo ny vahoaka ka manjary efa tsy mijery ny maha olona intsony fa tena mahavita mamono. Marihina anefa fa heloka eo anatrehan’ny fitsarana izany famonoana olona izany.

Nahagaga ny maro ity tranga tao Ambatondrazaka ity raha nahatratra ireto jiolahy ny mponina. Tao amin’ny kaominina Feramanga Avaratra no nisehoan’izany fanafihan-jiolahy izany ka tratra ny roa tamin’izy ireo rehefa nikasa hamaky vala ary nodorran’ny mponina velona. Nahagaga sady nampatahotra anefa satria dia tsy nety may ilay jiolahy iray ary nentin’ny zandary izy avy eo.

« Tsy nety may izy rehefa hoe hodorana kanefa ilay namany dia kilan’ny afo tao, tsy fantatra mihitsy izay anton’izany fa mampatahotra ny mijery azy. Ireo mpitandro ny filaminana sisa no nahasahy nanatona,s ary noentina avy hatrany ilay zalahy iny », hoy i Rakotosaonina, sefom-pokontany ao amin’ny Fokontany Begavo Mangalaza.

« Efa malaza amin’ny resaka hafahafa i Ambatondrazaka fa ny zavatra toy izao aloha dia mbola sarotra valiana satria tsy misy mahay mamaly ny fanontaniana rehetra mipetraka any anatin’ny sain’ny olona rehetra any na ireo manam-pahaizana amin’ny sehatra maro be aza », hoy i Menja, mpikaroka momba ny fomba Malagasy.

Etsy ankilan’izany anefa dia mampiseho ny tsy fahatokisan’ny olona ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ny tranga na fitsaram-bahoaka toy izao. Mila manao asa sy fanentanana ireny andrim-panjakana ireny mba hiverenan’ny fahatokisan’ny olona azy ireo ka na dia efa heloka be vava aza dia tsy ho sahy hanao fitsaram-bahoaka ny mponina.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire