SocialTsidika

Ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny lalàna

Ilaina ny manara-dalàna mba handry fahalemana ny tany. Ho foana ny tsy filaminana ary hahazo vahana ny fandrosoana raha mitandrina sy manao arak’izay hitsin’ny lalàna manko ny olon-drehetra. Manoloana ny tsy fanajàna lalàna tany Ambalavao Tsienimparihy, nisy ny fanapahan-kevitra noraisina. Nampiantso ireo mpamily Bajaj rehetra ao amin’ny kaominina Ambalavao ny filohan’ny fikambanana Bajaj sy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena ny sabotsy 20 martsa lasa teo. Izay no natao  taorian’ny fanafihan’ny jiolahy mpitondra Bajaj miisa 2 tany amin’ny fokontany Bemahalanja ny 11 martsa lasa teo. Nampatsiahivina ny maha-zava-dehibe ny fanarahan-dalana, ary nampahafantarina tamin’izany ihany koa ny lamina vaovao ifampifehezana. Araka izany, mila fazahoan-dalana manokana ireo Bajaj manomboka izao, izay vao afaka mitondra olona any amin’ireo kaominina sy fokotany ivelan’ny Renivohitra. Rehefa misy ny olana tahaka izao, tokony tsy l any vahaolana satria ain’olona no lalaovina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire