Ambohimangakely : Fiara kely iray saika nivarina an-kady
Fiara kely iray no saika nianjera nivarina an-kady tao Ambohimangakely, ny harivan’ny talata lasa teo. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso ny zava-misy, nandray zava-pisotro misy alikaola ny mpamilin’ ity fiara ity ka nahatonga ny tsy fifehezana ny familiana intsony.
« Izy efa somary lehilahy lehibe nitondra ilay fiara ary efa nahazoazo alikaola ihany koa. Tsy nisy ny naratra ary avotra soa amantsara ihany koa ilay lehilahy noho ny fifanampian’ireo manodidina sy ny nanatri-maso » hoy i Haja, mponina ao Ambohimangakely.
« Anisan’ny anatra ho an’ny rehetra ny tahaka izao. Ny loza tsy mampilaza ary ny toaka na ny zava-pisotro misy alikaola dia mampidi-doza mandrakariva na eo amin’ny mpandray azy na eo amin’ny manodidina. Tsara ny mitandrina hatrany » hoy i Fanja, mpanabe.
Mitera-doza hatrany ny alikaola ary voarara ny lalàna eto Madagasikara ny fandraisana izany ho an’ireo mitondra fiara. Efa misy hatrany moa ny fitsirihana ataon’ireo mpitandro filaminana entina hisorohana ny tranga tahaka izao ka tokony hamafisina izany, hiarovana ny rehetra.
Manitra Ramanantsoa
