Tontolo iainana : Miantoka zavatra maro ny fiaroavana ny sisin-dranomasina
Miantoka fivoaram-piainana sy fandrosoana ara-toekarena maro ny sisin-dranomasina. Araka izany dia tokony ho vaindohan-draharaha ny fiarovana ny zavamanan’aina an-dranomasina sy ny morontsiraka. Ara-toerakerana, ara-piarahamonina, ara-pizahantany ary indrindra ara-tontolo iainana dia ahazoana tombontsoa avy amin’io fairoavana ny sisin-dranomasina io avokoa. Laharam-pahamehana araka izany ny fiaroavana io sisin-tany io.
« Ahafahana manatratra io tanjona io nandraisana anjara tamin’ny atrikasa entina hiarovana sy hikoloana ny sisin-dranomasina na « Atelier de la Communauté de pratique sur l’adaptation basée sur les Ecosystèmes Côtiers et Marins » andiany faha-6ntao amin’ny Hôtel Lagoon Beach, Cape Town”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny toe-karena manga
Fifampizarana traikefa isaky ny firenena tsirairay no fomba nanatanterahana izany fivoriana izany. Nahakasika ny LMMAs no anjaran’i Madagasikara tamin’izany. Teo koa ny fitsidihana ny sisin-dranomasina sy ny fomba hiarovana izany manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro.
« Raha ho an’ny Madagasikara dia mila hampiofanina mahakasika ny tombontsoa maro be avy amin’io sisin-dranomasina ion y mponina any an-toerana. Manana adidy amin’izany avokoa ny mpisehatra rehetra eny ifotony sy ireo mpisehatra an-kolaka. Efa anisan’ny fandraisana anjara amin’izany ohatra ny eto Mahajanga ny mahakasika ny famerana ny fihazana orita sy ireo hazan-dranomasina maro isan-karazany », hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono ao Mahajanga.
Miainga amin’ny fahafehezan-tenan’ny tsirairay no ahafahana miaro amin’ny antsakany io sisin-dranomasina io. Ilaina ny fahazaina mandalanjalanja ny fiseharana ahafahana manatratra ny tanjona. Efa misy ny tetiandro amin’ny sehatry ny Jono ka tokony samy hanaraka izany lamina izany ny tsirairay.
Miora Raharisolo
