ActualitésTsidika

Alasora : Niampy ireo mpitandro filaminana miasa amin’ny alina

Manoloana ny tranga tsy fandriam-pahalemana nisesisesy tao amin’ny kaominina Alasora sy ny manodidina tamin’iny herinandro iny dia tsy tapaka ny nanatanteraka fisafoana ireo zandary avy ao amin’ny brigadin’Alasora, isan’alina. Nanampy isa azy ireo zandary avy eny amin’ny brigady Ankadilalana, araka ny voalaza.

« Izay iray drodroka na ny zandary na ny jiolahy. Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny avy amin’ny zandarimaria mandritra ny fanatanterahana ny fisafoana ety amin’ny tobi-paritra Alasora. Ireo zandary avy eny Ankadilalana moa dia eto manatevin-daharana amin’ny fanatanterahana ny fisafoana » hoy ny avy ao amin’ny brigadin’Alasora.

« Zava-dehibe ny fiaraha-mientana sy fandraisana andraikitra tahaka izao. Hisaorana ireo mpitandro filaminana ary hirariana mba hitohy hatrany izany fa tsy hoe amin’izao fotoana izao ihany. Eny amin’ny elakelan-trano isam-pokotany ihany koa tokony hanaovana izay fisafoana izay » hoy i Donné, mponina ao Alasora.

Marihina moa fa efa nisy ny fahatongavan’ny andiany voalohany amin’ireo zandary avy eny Ankadilalana, manampy ireo zandary ao Alasora amin’ny fanatanterahana ny fisafoana ity, ary andiany hafa indray ireto tonga manatevin-daharana ireto.

Manitra R.

Laisser un commentaire