Inde : Mpamily fitateram-bahoaka iray no resin-tory teo am-pamiliana
Fiara fitateram-bahoaka iray no saika hiazo an’i Indor, tanàna lehibe indrindra ao amin’ny Madhya Pradesh no niharan’ny lozam-pifamoivoizina ny talata teo. Raha ny fanazavana dia rendrika ilay mpamily ka nilatsaka avy teny ambony tetezana tao amin’ny renirano efa maina tao amin’ny tanànan’i Dongargaon ilay fiara.
Olona 21 izay nisy ankizy 3 ary vehivavy 10 no namoy ny ainy vokatr’io lozam-pifamoivoizana io raha ny tatitra. Marihina fa olona teo amin’ny 50 teo no nentin’io fiara io. Maro ihany kosa no izany no naratra ary mahazo fitsaboana ao amin’ny hopitaly ny ny distrikan’i Khargone.
Nitondra teny fampiononana ho an’ny fianakavian’ireo niaram-boina moa ny praiminisitra tao an-toerana, Narendra Modi. Raha ny fanazavan’ny manam-pahefana kosa dia nitsoaka ny mpamily nitondra ny fiara ary tsy hita teo amin’ny toerana nisehoan’ny loza niaraka ny mpandeha.
