ActualitésSocialTsidika

Anjeva: Nampitomboina ny loharano mamatsy rano ao amin’ny fokontany Manohisoa

Tontosa soa aman-tsara ny asa fanamboarana sy fampidirana rano fisotro madio, tao amin’ny fokontany Manohisoa, kaominina Anjeva gara. Ireo mponina sy ny kaominina no nifanome tanàna tamin’ny fanatanetrahana izany, ary ny fikambanana Amitiés Madagascar no mpiara-miombon’antoka namatsy ny tetikasa, raha  ny voalaza.

“Vita soa aman-tsara ny fanamboarana sy fanitarana ny foto-drafitr’asa famatsiana rano fisotro madio teto amin’ny fokontany Manohisoa. Efa misitraka izany ny mponina ao an-toerana amin’izao fotoana” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“HIsaorana ireo mponina satria nandritra ny fanatanterahana ny asa fanoloana ny borne fontaine sy ny fantsona mitondra ny rano miala eny an-doharano hatreny amin’ny fitsinjarana ny rano, ny fanamboarana sy ny fanatsarana ny fitahirizan-drano dia nandray anjara hatrany tamin’ny asa izy ireo” hoy hatrany ny fanazavana.

Mandray anjara betsaka amin’ny asa fampandrosoana ny mponina ao amin’ny kaominina Anjeva. Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fanomezana rano fisotro madio isam-pokontany ao an-toerana ka miezaka ihany koa ireo mpisitraka maneho firaisan-kina ho an’ny tombotsoa iombonana.

Manitra R.

Laisser un commentaire