Seychelles : Nahazo fampindramam-bola 25 tapitrisa dollars
Nisitraka fampindramam-bola 25 tapitrisa dollars avy tamin’ny banky ho an’ny fampandrosoana afrikanina ny nosy Seychelles ho an’ny tetikasany fitantanana sy ny fanamafisana toe-karena na GERSP-II (Programme d’appui à la gouvernance et aux réformes économiques). Marihana fa mitentina 68,8 tapitrisa dollars eo ny tetibola amin’io tetikasa io.
Raha tsiahivina dia efa nisitraka 18,8 tapitrisa dollars avy tamin’ny FMI (Fonds monétaire international) sy ny banky iraisam-pirenena ny nosy ireo hanatontosana ny tetikasa. 25 tapitrisa dollars kosa no hanampian’izy ireo an’i Seychelles mandritra ny dingana faharoan’ny tetikasa izay vinavinaina hifarana ny taona 2024 izao.
