Alasora : Nitohy tamin’ny fokontany 8 hafa ny hetsika nataon’ny Kolotanana
Fokontany valo hafa indray, dia ny fokontany Mahatsinjo, Ambohidrazaka, Ambodivoanjo, Ambatomalaza, Mandikanamana ary Ankazobe, Sud-Ambohipo ary Ankadindratombo no nanohizan’ny fikambanana ny hetsika izao nataon’izy ireo tamin’ny herinandro lasa iny.
« Tahaka ny mahazatra, nandritra ny hetsika moa dia ny fanentanana mahakasika ny fanadiovana sy ny fahadiovana ary fampahafantarana ny fikambanana teny anivon’ireo fokotany. Ary ny lalao izay nampandraisana anjara ireo mponina teny ifotony » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fikambanana.
« Mahafinaritra hatrany ny mahita ire fikambanana mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanentanana tahaka izao, izay tena ilain’ny mponina tokoa ho fampandraisana andraikitra azy ireo » hoy i Christine, mponina ao Ankadindratombo.
Alasora mahate honina, io hatrany no tanjona tratrarina ry voizin’ity fikambanana ity. Ny fahadiovana tokoa izay tsy tokony atao ambanin-javatra, noho izy sady antoky ny fahasalamana no taratry ny fandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
