ActualitésTsidika

Tsy afaka handefa solontena amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika amin’ny fibatana fonjam-by i Madagasikara

Tsy nahazo medaly tamin’ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika teo amin’ny taranja judo ireo solontenan’i Madagasikara. Fiadiana ny tompon-dakan’i afrika eo amin’ny taranja fibatana fonjam-by indray ny manaraka izay hotanterahina ny 27 may any Kenya. Nilaza anefa ny tompon’andraikitra fa tsy afaka andefa solontena i Madagasikara. Antony mahatonga izany raha ny filazany ny tsy fisian’ny fitanterana an’habakabaka afaka hitatitra ireto hisolo ten any firenentsika ireto. Namoaka fanambarana ny filohan’ny federasiona amin’ny fibatana fonjam-by fa efa nanao ny ezaka rehetra izy ireo saingy tsy nisy nahomby ireny. Voatery mijanona noho izany ireo solontena izay efa saika handeha ny alahady lasa teo ary tsy misy mpandray anjara misolo an’i Madagasikara. Miisa 6 ireo mpandray anjara amin’ity fiadiana ny tompon-daka an’i Afrika amin’ny taranja fibatana fonjam-by ity. Nilaza ny iray tamin’ireo mpisehatra amin’ity taranja ity fa diso fanantenana tanteraka ny amin’izao tsy fahafahana mandeha izao.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire