Tsiroanomandidy : Lasan’ny dahalo avokoa ny omby tao Ambatolahihazo
Manjaka tanteraka amin’izao ny tsy fandriam-pahalemana hany ka tsy mandry andro tsy mandry alina ny vahoaka Malagasy miaro izany hany kely mba hananany. Tsy manao ny asany àry ve ny mpitandro filaminana sa atody miady amam-bato ? Vitsy an’isa mihoatra ny dahalo ve ireo napetraka hiaro ny vahoaka sy ny fananany hany ka mahazo vahana ny dahalo ? Notafian’ny dahalo mirongo fiadiana mahery vaika indray manko izao ny tanàna iray antsoine hoe Ambatolahihazo, ao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 26 may tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Tsy andro tsy alina ny fanafihana, efa tsy misy tahotra intsony ireo jiolahy. Lasan’ny dahalo avokoa ny omby tao an-tanàna, ary tovolahy iray no voatifitr’ireo dahalo teo amin’ny feny ka nentina haingana namonjy hôpitaly. Lasa nanara-dia ireo ombiny nangalarina ny fokonolona. Tsy vitan’izay hoe folo ireo dahalo fa miisa 80 be izao miaraka amin’izato fitaovam-piadiana mahery vaika. Aiza ny filaminam-bahoaka manoloana izany ? Iza no azo hanakinan’izy ireo fa afaka hiaro azy ? Miantso ny tompon’andraiki-panjakana ny vahoaka ao an-toerana manoloana izao tranga mafy nahazo azy ireo izao. Indrindra amin’ny fanenjehana ireo dahalo sy hanafoanana ny asan-dahalo izay mampikaika ny mponina.
Nicole Rafalimananjara
