Alasora : Nisy ny hetsika ara-pahasalamana momba ny ati-vava teny amin’ny CSMA Ankadindratombo
Notanterahana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny hetsiaka ara-pahasalamana maimaim-poana tao amin’ny ivon-toeram-pitsaboana CSMA Ankadindratombo, ao amin’ny kaominina Alasora. Hetsika ara-pahasalamana mahakasika ny fikojana ny ati-vava no natao nandritra izany, araka ny voalaza.
« Tontosa soa amantsara ny hetsika ara-pahasalamana momba ny aty vava teto amin’ny CSMA. Hisaorana ireo mpiara-mombonan’antoka sy mpiara-miasa rehetra nifanolo-tanana tamin’ny fanantanterahana izany » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
« Tena ilaina ny hetsika fanentanana tahaka izao. Mila atao matetika izany satria antoky ny fahasalaman’ny tsirairay. Efa maro ireo aretina miseho vokatry ny kalitaon’ny zavatra hohanina sy ampiasaina ka tokony hitandrina ny tsirairay ary manao ezaka hatrany hikolo ny aty vava” hoy i Ravaka, renim-pianakaviana.
Natao ho an’ny sokajin-taona rehetra moa ity hetsiak ity. Nisy ihany koa ny fizarana akora fiborosiana nisy nandritra izany.
Manitra R.
