Italie : Olona telo no voarohirohy tamin’ny fianjeran’ny “téléphérique” tao Stresa
Olona 3 tompon’andraikitra ambony mitantana ny fandehan’ity « téléphérique » ity no nosamborina ny marainan’ny alarobia 26 may noho ny fanahiana fa ninian’izy ireo notapahina ny hisatra amin’ny vonjy voina tamin’ity « téléphérique » ity. I Luigi Nerini izay mpitantana ny orinasa Ferrovie del Mottarone miandraikitra ity « téléphérique » ity, i Gabriele Tadini, talen’ilay fitaovana ary i Enrico Perocchio filoha mpikarakara ilay fitaovana, izy ireo no voasambotra sy voarohirohy ho tampon’antoka tamin’ity fianjerana ity. Ity fitaovana ity izay namboarina ny taona 1970 ary mampitohy ny tanànan’i Stresa amin’ny tendrombohitry Mottarone ao anatin’ny 20 minitra. Efa nihaiky izy ireo fa niniana tsy nalefa ilay hisatra amin’ny vonjy voina arak any fanambarana nataon’i Alberto Cicognani. Zaza iray no hany sisa velona tamin’ity fianjerana ity ary tsaboina any amin’ny hopitaly any Turin noho ny dona mafy nahazo ny lohany sy ny fahatapahan’ny feny.
