Pakistan : Olona 12 maty nihotsahan’ny tany tao amin’ny toeram-pitrandrahana arintany
Mpiandraka arina (charbon) 12 no maty vokatry ny firodanan’ny toeram-pitrandrahana arintany iray, tao amin’ny faritra atsimo andrefan’i Pakistan. Fipoahana entona tao amin’ny toeram-pitandrahana ity no heverina nahatonga ny loza, araka ny nambaran’ireo manam-pahefana. Ny harivan’ny talata no nisehoan’ny loza. Ny roa tamin’ireo maty no hita nandritra ny alina, ny folo kosa ny maraina vao hitan’ireo mpamojy voina. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ny antony nahatonga ity tranga ity. Ankoatra ireo namoy ny ainy, dia olona valo hafa ihany koa no naratra sy tsy nahatsiaro tena rehefa namonjy ireo namany nihotsahan’ny tany ireo. Araka ny voalaza hatrany, anisan’ny mampidi-doza ny aro fenitra amin’ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny ao Pakisatan. Maro ireo tsy manaraka ny fenitra ka mitera-doza tahaka izao matetika.
