SocialTatitra

Ady eo amin’ny Israël sy Hamas : Ny vahoaka iray manontolo no miaina ny tsy fanjarian-tsakafo

Ny vahoaka iray manontolo no misedra ny tsy fanjarian-tsakafo ao Gaza amin’izao fotoana izao. Toe-javatra izay henjana indrindra hiainan’ny mponina, araka ny nambaran’ny sekreteram-panjakana Amerikanina, Antony Blinken. Araka ny toro navoakan’ny firenena mikambana, dia 100% amin’ny mponina ao Gaza no ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo lehibe izao ary sambany izao no voasokajy toy izao avokoa ny mponina iray manontolo, mihoatra noho ny ao Soudan na ny ao Afghanistan, raha ny nambaran’i Blinken hatrany. Nohamafisin’ity farany ny tokony hanampiana ireo mponina hianjadian’ny ady ireo.

Laisser un commentaire