Masindray: Mila fanaraha-maso ny vesatr’ireo kamiao mandalo ny tetezana
Ao anatin’ny fahasimbana ny tetezana mampitohy ny kaominina Masindray sy ny kaominina Ambohimanambola. Efa volana maromaro no nahitana ny fahasimbana. Ny tsy fanajana ny fenitra eo amin’ny lanjan’ireo fiara lehibe mandalo eo amin’izany no anisan’ny mitarika ny fahasimbana, araka ny voalaza.
« Mila fanaraha-maso ny vesatra zakain’ity tetezana ity sy ny fikojana azy. Efa nisy foana ny fanamboarana hisorohana ny loza kanefa araka izao dia mihotsaka indray ireo vy vao avy nofenoina. Be loatra ireo kamiao tsy manara-dalàna » hoy i Safidy, mpitondra kamiao.
« Tsy vitan’ny asa vonjimaika intsony ny momba ity tetezana ity. Mila manamboatra izany tanteraka ny tomponandraikitra satria mety hitera-doza io fahasimbana io » hoy i Henriette, mponina ao Masindray.
Kamiao am-jatony isan’andro no mandalo eto amin’ity tetezana ity. Izy ireo izay mifamezivezy, mitatitra fasika sy biriky na entana isan-karazany ao an-toerana. Anisan’ny mety hiteraka sakana ho an’ny fidiram-bolan’ny tsirairay ao amin’ity kaominina ity raha ho potika tanteraka izany tetezana izany.
