France : Misy ireo tanàna mitoka-monina ao Nice vokatry ny fihotsahan‘ny tany
Taorian’ny andro ratsy niseho ny fiandohan’ny volana martsa ity, tao amin’ny Côte d’Azur, niampy ireo fihotsahan’ny tany maro, anisan’ny lasibatr’izany ny tanànan’i Coaraze (Alpes-Maritimes), dia lasa mitoka-monina tao anatin’ny herinandro izao ireo mponina miisa 823 ao amin’ity tanàna ity. Lalanatokana mihazo an’i Nice, izay mandalo amin’ity toerana ity no tapaka, noho fihotsahan’ny tany sy ireo vato lehibe manodidina ny 3000m3. Aharitra volana maromaro izany fahatapahana izany, raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra. Manano sarotra ny fanalana ireo tany sy vato, fa tsy araka ny niheverena azy. Vokatr’izany, voatery miodina an-dalana ireo mponina mpampiasa ny lalana. Teo aloha natao 30minitra izany lalana izany, noho ny zava-misy kosa dia miodina an-dalana ireo mponina ka atao hatramin’ny ora iray sy sasany ny lalana. Isan’andro dia misy ireo « drones » manara-maso ireo toerana mbola ahiana hisian’ny firodanana ao an-toerana ary hisy ny fanamboarana lalana vonjimaika hitsinjovana ny mponina.
