ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehilahy iray namandrika tovovavy tao amin’ny tranokalam-pifandraisana

Lehilahy 28 taona avy ao North Chesterfield ao Virginie i Austin Lee Edwards izay polisy taloha. Nisadoka ho olon-kafa tamin’ny tranokala-pifandraisana izy ary nanadala tovovavy iray nonina tao Riverside, Californie.

Rehefa azon’io lehilahy io ny adiresy nisy ilay tovovavy dia namakivaky ny 4 200 kilometatra nanasaraka azy ireo izy ary rehefa tonga tao amin’ny trano fonenan’ilay tovovavy dia novonoiny ny reniny ary ny raibe sy ny renibeny. Nodoran’io lehilahy io ny tranon’ilay fianakaviana taorian’izany ary nalainy an-keriny ilay tovovavy.

Ireo nahita ny tranga no niantso ny manam-pahefana saingy efa nentin’i Austin Lee Edwards nitsoaka ilay tovovavy. Iray ora taorian’ny tranga vao hita izy ireo, nanomboka nitifitra ny polisy ilay lehilahy, namaly izany ireo manam-pahefana ka lavon’ny bala ilay olon-dratsy.

Laisser un commentaire