ActualitésTsidika

Fifidianana : Azo antoka ny fizarana karapanondro faobe hoy ny Minisitry ny Atitany

Manana ahiahy ireo mpanao politika sasany sao olona tsy ampy 18 taona akory no hahazo ireo karapanondro hozaraina tamin’ny alalan’ny fitsarana mitety vohitra ahafahana mampitombo ny isan’ny mpifidy fotsiny. Mety hisy olona be vatana nefa tsy feno 18 taona, hoy ny fanehoan-kevitra, no homena kara-panondro mandritra izany, mba hahafahana mampitombo ny lisi-pifidianana.

« Tsy maintsy olona feno 18 taona no homena karapanondro. Mandalo dingana maro ny fisitrahana izany izay hiarahan’ny minisiteran’ny Atitany misalahy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Zavatra saro-pady izany fanomezana karapanondro izany satria taratasy iray ilaina ho amin’ny fiainana maro izany ka tsy tokony htao antsirambina », hoy ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin.

« Misy ny fanadihadiana ataon’ny mpitsabo sy ny tenin’ny vavolombelona anombanana ny taonan’ny olona iray, alohan’ny hamoahana didim-pitsarana sy anomezana ny karapanondro ireo izay te hisitraka izany », hoy hatrany ny fanazavana.

« Tsy tokony hisy ny ahiahy fa efa azo antoka avokoa ny fisitrahana ity tetik’asa ity. Efa fiaraha-miasa mafonja vao afaka mahazo izany ireo mpisitraka. Tsy tokony holazaina akory izany resaka izany satria mety hiteraka fisainana diso amin’ireo mpanaraka vaovao », hoy i Mamie, mponina ao Ambatobe.

Tsara ny manamarika fa na tsy misy fifidianana dia ilain’ny olom-pirenena hatrany ny karapanondrom-pirenena. Miantoka ny fahafahan’ny tsirairay misitraka ny zo maha olom-pirenena azy izany. Ilaina ary tena zava-dehibe noho izany ny fananana izany karapanondro izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire