Etats-Unis : Voay hita tao anaty kibon’ny bibilava « python »
Voay (alligator) 1,5 metatra no hita tao anaty kibona bibilava « python » 5,5 metatra tao Floride. Nandritra ny fizahana ny fatin’ilay bibilava no nahitana ny tranga. Navokan’ny siantifikan’i Floride, Rosie Moore moa ny horonantsarin’io fizahana io ka lasa resa-be tao amin’ny tambajotra sosialy ny tranga.
Marihana fa ny « pythons birmans » rehefa voasambotra ao Floride dia tsy maintsy vonoina (euthanasié). Mampidi-doza ho an’ireo biby hafa ao amin’ny valan-javaboarin’i Everglades mantsy izy ireny. Ny vatan’izy ireo kosa dia omena ny laboratoara fikarohana ao an-toerana.
