Ambohimanambola: Voarara ny fandoroana fako
Voarara ny fandoroana fako ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Fepetra napetraka izany noho ny fahafantarana ny vokatra ratsy aterany eo amin’ny tontolo sy ny fisian’ny service Raoka fako, izay mandray an-tanana ny fitantanana ny fako ao an-toerana izany, raha ny voalaza.
« Ratsy ho an’ny fahasalamana ny fandorana fako ary voararan’ny lalàna. Manaratsy fiaraha-monina manodidina koa izy ary maanampy ireo loto sarotra fehezina. Efa nisy ny fanentanana sy ny fandraisana andraikitra nataon’ny service mahakasika izany » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny service Raoka fako.
« Manao ezaka hatrany ny servisy mampiditra ny olona ao anatin’ny tolotry ny service Raoka fako. Ao anatin’izany ny fitondra fanazavana, firotsahana an-tsehatra miresaka mivantana amin’ireo isan-tokatrano ho fandaminana amin’izany » hoy hatrany ny fanazavana.
Mihetsika manara-maso izany eny amin’ireo fokontany misy sy mampihatra ny service raoka fako moa ireo polisin’ny raoka fako. Ny fahatasapa-tenan’ny tsirairay ihany koa hanaraka ny torohevitra sy lamina napetraka no hampandrso izany sehatra izany.
