Ambohimanambola : Hanolotra fiofanana mahakahasika ny tanora sy ny tontolon’ny asa ny kaominina
Hanolotra fiofanana, « atelier d’orientation formation/employ » ho an’ireo tanora, mpianatra na miasa ao anatin’ny kaominina sy ny manodidina, ny kaominina Ambohimanambola. Hisy ireo torohevitra sy vahaolana omena, manodidina ny tontolon’ny asa sy ny fahaiza-misafidy ao anatin’izany tontolo izany, araka ny voalaza.
« Anisan’ny olana sedrain’ny tanora rehefa manomboka mamarana ny fianarana ka hiditra amin’ny sehatry ny asa ny fanaovana safidy, indrindra fa ny amin’ny fanatanterahana ireo tanjom-piainana. Mba tsy hahavery hevitra na hampisalasala ireo tanora no hanomezana izao fiofanana izao, hanomezana azy ireo torohevitra mahakasika ny fomba fisafidianana sy ny fanapahan-kevitra tsara raisina eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny manodidina izany » hoy ireo tompon’andraikitra o amin’ny kaominina.
« Tsara ary ilaina ny fanomezana toro ny tanora dieny mbola anatin’ny fianarana izy na hiroso amin’ny fitadiavana. Zava-dehibe ny fitarihana ny tanora, anisan’ny manampy azy ireo hahay handamina sy handrindra sahady ny ho aviny ny fahafantarana ny safidy izay ataony » hoy i Tsanta, mpianatra momba ny psychologie.
Ny sabotsy 19 novambra no hanatanterahana io fiofanana io, izay atao ao amin’ny efitra fisorata-panambadian’ny kaominina. Hanasana ireo tanora rehetra satria maimaim-poana ny fiofanana.
Manitra Ramanantsoa
