Indonésie : Tsy manatrika ny fihaonamben’ny G20 ao Bali i Vladimir Poutine
Raha ny fanambarana nataon’ny ambasadin’i Russie dia tsy handray anjara amin’ny fihaonamben’ny G20 ao Bali, Indonésie izay hotontosaina ny 15 hatramin’ny 16 novambra izao i Vladimir Poutine. Ny minisitry ny raharaham-bahiny, Sergueï Lavrov no hisolo-tena an’i Moscou raha ny fantatra.
Mbola mety hisy fiovana nefa ny fandaharam-potoan’ny filoha hoy ny lehiben’ny masoivohon’i Russie ao Indonésie, Yulia Tomskaya. Mety handray anjara an-jotra ny fivoriana ihany i Vladimir Poutine hoy ity farany. Raha tsiahivina dia norarana ny fanatrehan’ny filohan’i Russie io fivoriana io nandritra ny volana maromaro nohon’ny fanafihana an’i Ukraine.
