Fandriam-pahalemana : Nisehoana fanafihana feno habibiana tao Vondrozo
Toerana iray any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana any ny fokontany Nahabeaza, ao amin’ny Distrikan’ny Vondrozo. Nisehoana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary feno habibiana tanteraka tany an-teorana. Maro ny maty, tsy vitsy ireo naratra ary very fananana sy simba fitaovana avokoa ireo izay hany olona velona. Niantraiak tamin’ny olona rehetera mihitsy ny fahavoazana na ireo ankizy, na ireo vehivavy hatramin’ny lehilahy.
« Tokantrano maro no lasibatra tao anatin’izany satria dia tsindron’antsy, fikapàna amin’ny famaky ary fandorana velona na lahy n’a zaza amam-behivavy no niantra tamin’ireto fianakaviana maro ireto. Na ny trano na ireo olona sasany dia misy nodorana avokoa. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha », hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana.
« Toerana lavitra andriana, na hiantso vonjy aza tsy misy maheno itony toerana itony. Ny jiolahy koa efa manana ny tetika manokana hanaovany ny asa ratsiny. Ny vahaolana voalohany indrindra amiko aloha dia hampitomboana ireo mpitandro filaminana isam-paritra ary hatao mizarazara izy ireny fa tsy havela hivangongo amin’ny tanan-dehibe fotsiny. Antony mahatonga izao sehon-javatra mampihorinkoditra izao ny tsy fisian’ny mpitandro filaminana », hoy i Eric, mpandinika fiaraha-monina.
Vosazin’ny lalàna ny fanalana aina, indrindra moa fa ny ankizy kely izay mbola tokony hisitraka ny zony. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba hamoaka sazy farany mafy ho an’izay tratra ka nahavanona izao loza izao.
Miora Raharisolo
