ActualitésTatitra

Iran : Nanambara ny fanamboarany « missile balistique hypersonique » voalohany ny firenena

Nanao fanambarana ny manam-pahefan’i Iran fa niditra tamin’ny fanamboarana « missile balistique hypersonique » izy ireo. Voalohany tao an-toerana izany ary dingana lehibe eo amin’ny tontolon’ny misily. Mahavita mandeha 6 000 km/ora mahery mantsy io misily io ary mikendry ny rafitra « antimissile»-n’ireo fahavalo.

Mahavita manohitra ny ampinga fiarovana « anti-aérienne » ihany koa io fitaovam-piadiana io raha ny fanazavan’ny Jeneraly Amirali Hajizadeh, komandà ny « Force aérospatiale des Gardiens de la Révolution ». Tsy hisy teknolojia hafa afaka hifaninana amin’izany ao anatin’ny taona maro hoy ity farany.

Laisser un commentaire