Inde : Namorona aroloha ho an’ny kodiaran-droa manadio rivotra ny orinasa Shellios Technolabs
Anisan’ireo firenena tena voakasikin’ny fahalotoan’i rivotra miaraka amin’i Bangladesh, Népal ary Pakistan i Inde. 21 amin’ireo tanàn-dehibe 30 manana haavon’ny fahalotoan’ny rivotra ambony indrindra eran-tany no hita ao aminy.
Firenena voakasikin’ny fihenan’ny fe-potoam-pivelomana nohon’ny fahalotoan’ny rivotra i Inde. I Inde moa dia isan’ ireo firenena fantatra fa betsaka fahaloton’ny rivotra indrindra noho ireo fiara sy kodiaran-droa mifamezivezy. Manoloana izany dia mamorona ny « casque Puros » ho an’ny kodiaran-droa ny orinasa Shellios Technolabs ao an-toerana. Miasa manadio rivotra io aroloha io. Ahitana « filtre chargeable » manokana afaka manadio ny rivotra trohan’ireo mpitondra kodiaran-droa izany. Mitentina 56 Euros monja ny vidin’ io aroloha io.
