La Réunion : Lozam-pifamoivoizana niseho tao amin’ny Plateau Caillou.
Omaly 10 Martsa no niseho ny loza tao amin’ny hantsana mirefy 11% ao amin’i Plateau Caillou. Voalaza fa tsy nahafehy ny fiarany intsony ny mpamilin’ilay Kamiao nitondra entana navesatra. Nirifatra mafy aveo ary nidona tamina Kamiao iray hafa izay nijanona teo akaiky teo ihany. Nanome tsiny avokoa ny olona teo amin’ny manodidina noho ny tsy fahaizan’ity mpamily ity mifehy ny fiarany. Tsy nisy ny aina nafoy fa kosa simba be ilay fiara nandona sy voadona.
