Tatitra

La Réunion : mitombo ireo mararin’ny Coronavirus.

Manomboka miakatra indray ny isan’ireo mararin’ny COVID-19 ao La Réunion. 12 ny isan’ireo maty hatreto ary 975 no tranga voaisa tamin’ny herinandro lasa teo. Maro ireo kaominina tena andairan’ny aretina toy Saint Louis 167, Sainte Marie 165, Saint Denis 120, Saint Paul 118, Saint Pierre 150, La Possession 136 ary i Tampon 108. Vitsy kosa ny tranga any amin’ny kaominina hafa akoatr’ireo. Na dia efa eo aza ny fisian’ny famerana ny ora hivoahan’ny olona ny trano sy ny fanidiana ny sesi-tany ary ny tsy fisian’ireo mpizaha tany intsony. Mihantra avokoa izany fepetra izany mandrapaha tongan’ny fepetra vaovao.

Laisser un commentaire