Mexique : Vehivavy iray saika niharan’ny fitsaram-bahoaka
Tafiditra ao anatin’ny « 7 merveilles du monde » ny « pyramide de Kukulcan » ao Chichén Itzá, Mexique. Voasokajy ao amin’ny vakoka iraisam-pirenen’ny Unesco izy io ary toerana masina tsy azo hianihana raha tsy mahazo fahazoan-dalana.
Vehivavy mpizaha tany iray avy ao Espagne nefa no nianika io tempoly Maya io ary nandihy ho an’ny tambajotra TikTok-ny. Manoloana izany dia tezitra ireo olona rehetra nahita ny tranga ary nanomboka niorakoraka ary nanositosika sy namafy rano azy rehefa tafidina ny pyramide izy. Misy ireo olona nilaza nandritra izany fa tokony atao sorona ho an’ny andriamanitra io vehivavy io, izay sazy fanao tao an-toerana fahiny.
Tonga kosa ireo manam-pahefana nisambotra ilay vehivavy. Mety handoa lamandy mahatratra hatramin’ny 5 000 Euros ity farany noho io fihetsika nataony io.
