Fizahan-tany : Tonga ireo mpizaha tany avy amin’ilay sambo « Hanseatic Spirit »
Taorian’ny « Europa 2 » dia tonga eto amin’ny sisin-dranomasin’ny Madagasikara indray ity sambo mpitondra mpizahatany antsoina hoe « Hanseatic Spirit » ity. Misokatra tanteraka ny vanim-potoanan’ny fitsangatsanganana ho an’ireo vahiny eto Madagasikara. Maro ny toerana ho lalovan’ireo mpizahatany ireo mandritra ny fotoana maharitra kely eo. Miisa 165 izy ireo no indray tonga teto tamin’ity sambo lehibe ity. Hitondra tombontsoa hoa n’uireo mponina eny amin’ny toerana handalovan’izy ireo izao fahatongavany izao.
« Handalo ao amin’ny renirano masina Mangatsa izy ireo hanombohany ny lalany, avy eo ao amin’ny « cirque rouge » ary hijery ny valan-java-boahary Ankarafantsika raha ny eto Mahajanga manoka no resahina. Ny tanàna sy ireo mpisehatra maro isan-karazany amin’izany dia efa entanina sahady hanomana ny tsara indrindra avy amin’izy ireo », hoy ny Talem-paritry ny fizahan-tany ao amin’ny faritra Boeny.
Maro ny toerana mahasarika mpizaha tany eto Madagasikara ka tokony araraotina ny fotoana toy izao hampisehoana azy ireo ny zavatra maro afaka tsidihina eto amin’ny firenena. Ny tanjona amin’izany mba hahatrarana ilay tanjona izay napetraka ho amin’ny 2028 dia ny mahakasika ny isan’ireo mpizahatany izay tokony ho avo roa heny noho ny amin’izao fotoana izao. Antony iray hanoloran’ny Minister any toerana ho tsidihin’izy ireo izany. « Hiantsona eny amin’ny seranan-tsambo maro isan-karazany eto Madagasikara ity sambo ity manomboka ny 4 novambra izao. Aorian’ny Mahajanga dia handalo Nosy Be, avy eo mankany Antsiranana ka mihazo an’ny Maurice avy eo. Mbola hiverina eto amin’ny seran-tsambon’ny toamasina kosa ny 9 novambra izao », hoy hatrany ny fanazavana.
Toerana iray mbola afaka mifaninana amin’ny firenena hafa i Madagasikara raha amin’ny sehatry ny fizahan-tany. Mbola maro ihany kao anefa ireo olana sedrain’ireo mpisehatra ka mitarika fihenan’ny vola miditra izany. Olana iray ny foto-drafitr’asa izay tokony ho jerena akaiky sy hitadiavana vahaolana ao anatin’ny fotoana fohy.
Miora Raharisolo
