Lalam-be migodana Antananarivo – Toamasina : Fifanaovan-tsonian’ny fifanarahana amin’ireo mpandraharaha
Dépêche 03 novembre, 13h, Hatomboka mialohan’ny hifaranan’ity taona ity ny asa fanamboarana ilay lalam-be migodana voalohany mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Hanamorana ny fifamoivoizana no anton’izany, ary ahafahan’ny vokatra mandeha haingana araka ny angatahan’ireo tantsaha. Anio alakamisy no hatao ny fanaovan-tsonian’ny fifanarahana amin’ny orinasa izay hanatanteraka ny asa eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Asa voaforona ho an’ny Malagasy maro ny asa lehibe tahaka izao, ka ny hirariana dia ny mba tsy hanaovan’ny olona sasany antsojay. Mila atao mafy ihany koa ny fanaraha-maso ny resaka kolikoly amin’ny asa ho an’ny vahoaka toy izao.
