HAY TRANO TAO MELAKY
02 Jolay, 11h 22. Tsy mbola fantatra mazava ny niavian’ity afo ity saingy nahavita nandoro ny trano manontolo mihitsy izany. Ny trano koa moa trano bozaka rahateo ka nanafaingana ny fahamaizany izany. Tao amin’ny fokontany Ambolatera Antsalova no nisehoan’ity tranga ity, omaly hariva tamin’ny fito ora teo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy tao anatin’izany.
