Tsaramandroso : Trano may miisa 4 nitarika fahafatesana zazakely.
Zazakely vao roa taona sy sivy volana may kila forehitra toy ny saribao no maty vokatry ny fahamaizana trano miisa efatra tany tsaramandroso gara, kaominina Borizinyl afak’omaly tokony ho tamin’ny tamin’ny 11 ora atoandro teo. Kambana ity zaza may ity ka ny iray avotra soamantsara. Fatana teo ivelany no fantatra fa niavian’ny afo. Tsy nisy olona afa-tsy ny renin’ireo zaza ireo tao an-toerana, ka ny iray no teny am-pelantanany ary natory tao an-trano koa ny iray hafa.
Noho ny fikoropahana nefa dia tsy tsaroany intsony ilay zaza tao an-trano, sady tsy nisy hevitra nahafahany namonjy azy noho ny afo nijoalajoala ihany koa.
