Dépêches

Fanafihana mitampiadiana : raim-pianakaviana naratra voatafika

Raim-pianakaviana iray naratra teo amin’ny tanany nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Ampanataovana Atsimo, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady alina teo.. Jiolahy valo nitondra basy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana, araka ny tatitra nampitain’ ny zandary avy ao amin’ ny zana-tobim-paritra Ambohimiadana. Nanapoaka basy inefatra nifanesy ireo malaso sady niditra an-keriny tao amina tokantranon’olona roa samy hafa ka nandroba ny vola sy ny entana tao an-trano. Lasan’ ireo mpanafika ny vola 5 hetsy Ar, finday niaraka tamin’ny lecteur DVD iray.

Laisser un commentaire