Nitokony ny fianakavian’ilay zanaka sinoa maty
19 Oktobra, 10h00. Nanao fihetsiketsehana nanoloana ny lapan’ny fitsarana eny Anosy omaly 18 Oktobra ny fianakavian’i Kevin, zanaka sinoa nodomin’ny fiara teny Mandrosoa Ivato. Votsotra mantsy ilay ramatoa voalaza fa nandona azy ka tsy manaiky ny havany.
