ActualitésTsidika

Ambatomitokona : Tanàna mbola mitazaona ny fomban-drazana eto Avaradrano

Rehefa miresaka hoe RN3 dia Avaradrano no tonga ao an-tsaina voalohany. Ahitana mponina manodidina ny 340 000 mahery eo ho eo eto. Kaominina 12 no mandrafitra ny distrika ary, samy manana ny fokontany ao aminy ireo kaominina ireo, fa ny fokontany atao hoe « Ambatomitokona » no ho jerentsika.

Ao amin’ny kaominina Talata Volonondry no misy azy, ary manana ny maha izy azy izy. Manana ny tantarany koa izy amin’ny tantara teto Imerina fahiny, manana fomba fiaina miavaka hatramin’ny niandohany io Fokontany io, dia ny firaisan-kina izany, eny mandrak’ankehitriny aza.

Any amin’ny 36 km miala ny renivohitr’i Madagasikara no misy an’Ambatomitokona, antsinanan’ny Talata Volonondry sy andrefan’Ambohimanjaka no misy azy. Tanàna tsara fipetraka akaiky rano mikoriana sy miorina ambony vato io tanàna kely io. Mponina ambanivohitra ny ao aminy saingy mahatamana sy mahaliana ery ny tanàna.

Raha ara-tantara, raha ny fitantaran’i Raymond, zokiolona ao an-toerana dia « nisy vato lehibe iray tao an-toerana, ka izay no nahatonga ny anaran-tanàna hoe Ambatomitokona. Tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany mantsy, raha nanamboatra iny lalana mankany Anjozorobe iny dia io vato io no novakiana nanaovana azy saingy, rehefa im-pito novakiana dia tsy vaky fa nitokona io vato io raha tsy ela dia ela, ka teo antony namoronana ny anaran-tanana hoe Ambatomitokona ».

Raha ny fanazavan’ny mponina ao an-toerana dia « nana-jina io vato, ary izay no nahatonga ny fitokonany, tsy tokony ho vakiana mantsy izy io, tamin’ny fotoana namakiana azy dia nahitana tohatra vita nanahary tao anatiny ary nisy karazam-biby maro samy hafa (biby mandady mikisaka amin’ny tany) ».

Misy tsangam-bato iray nataon’Andrianampoinimerina koa ao an-toerana. Raha tsiahivina ny tantara fahiny dia iva no misy an’Ambatomitokona ka tandindomin’ny fiakaran’ny rano tamin’izany, ka rehefa miakatra mihoatra io vato io ny rano dia manao joro (sorona) ny mponina ao. Omby no nampiasaina sy novonoina, mitohy mandrank’ankehitriny anefa io fomba io, ary na amin’izao ary dia mbola misy mamono ondry eo rehefa miakatra ny rano rehefa fahavaratra iny.

Mpihavy no tena ankabeazan’ny mponina ao, ary samy manana ny razam-beny ny tsirairay. Ramamonjisoa no anaran’ny olona voalohany nonina tao, ary mbola ao ny tranony mandrak’ankehitriny. Ahitana ala miodidina ny tanàna ary akaiky ny lalam-pirenena izy, amin’ny maha ambanivohitra azy dia manano sarotra ny fahazahoana jiro ka betsaka ny mponina no mbola mampiasa ny fanilon’ny Ntaolo Malagasy dia ny solin-tany sy ny labozia izany.

Ahitana sekoly miankina amin’ny fanjakàna ao an-toerana ary samy manana ny asany ny olona, fa ny ankamaroany dia ny mpamboly sy ny mpiompy, afaka iaraha-miasa tsara koa ny mponina ao an-toerana ary mandray ny mpitsidika sy ny mpisehatra rehetra, manana velaran-tany midadasika izy ary mahavokatra be hany koa ny taniny.

Amin’ny maha mpandala ny firaisan-kina ny mponina dia mbola manao ireny valin-tanana ireny ny olona ao. Rehefa fotoana fanaovana ny resaka fambolena dia miaraka miombon-tanana daholo ny mponina ao, na ao anaty fifaliana na fahaoriana dia miara-miasa foana.

Miakatra tsy lavitra eo no misy an’i Fiadanana, tanàn’Andriana iray tao an-toerana. Rahalahin’Andrianampoinimerina sy ny zanany narary hoditra no nonina tao, sady azo lazaina hoe nitokamonina koa. Tao izy ireo no maty, ary nafenina (nalevina) tao an-toerana ihany koa. Raha ny finoan’ny olona dia misy hifandraisany amin’ny fiainan’ny olona ny zava-miseho eo amin’io trano masina (fasana) io mialohan’ny vanim-potoana fahavaratra. Matetika mantsy, hono, mialoha ny vanim-potoana fahavaratra, dia misy lavaka eo akaikin’io fasana io, ary manohana ny orana tsy hilatsaka izy. Efa zatra arak’izany ireo mponina ka manototra an’io lavaka io rehefa alohan’ny fahavaratra. Mifindrafindra io lavaka io ka tapenana arak’izay lozoka misy.

Tamin’izany fotoana mbola tsy nisy ny tribonaly sy ny fitsarana dia nihatra ny lalàna fanapahan-doha ho an’ireo izay mandika lalàna na manao heloka mifandray amin’izay. Ny andriana tao an-toerana no nandidy sy nanapaka ny amin’izay olona tokony ho tapahin-doha, ary efa misy vato fanaovana izany ao an-toerana.

Samy nanana ny fomba nitondrany ny karazam-pitondrana nisy teto Madagasikara fa raha ny fitondrana misy ankehitriny amin’izao fotoana ve no mbola nitazona ny sasany tamin’ireny fomban-drazana ireny dia inona no mety hitranga ? Raha tsy mbola nisy ohatra ny fitsarana amin’izao fotoana ka tapahan-doha izay manao ratsy mety ho faritra maro ihany no lany tamingana.

Aza misalasala miditra misehatra na mandraharaha eto Avaradrano fa maro ny zavatra azo atao sy azo trandrahina eto an-toerana.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire