Tsy hampitsanga-menatra ny Malagasy ny kianja Barikadimy.
Nampiray ny Malagasy ny Barea, ekipam-pirenena malagasy tarihan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Niray hina sy nifankatia tokoa ny malagasy tamin’ireny fotoan’ny CAN ireny fa tsy simban’ny fahantrana sy ny fitadiavana fotsiny ihany. Nanomboka nanoratra tantara teto Madagasikara ny Barea mandrak’izao, ary hitondra lavitra ny firenena no tanjona. Handray ny lalao lehibe i Madagasikara ny 30 martsa ho avy izao. Hihaona amin’ny ekipam-pirenena Malagasy ny ekipam-pirenena Nigerianina. Efa vonona ny kianja handraisana izany izay ho atao ao amin’ny kianja manara-penitra Barikadimy Toamasina. Tsy mampitsanga-menatra an’i Madagasikara raha mitaha amin’ireo firenena hafa izany. Manaraka ny fenitra notakian’ny FIFA amin’ny fandraisana ny lalao iraisam-pirenena tokoa ny kianja ao Barikadimy. Niova endrika ny Stadium satria sambany misy ireo seza fipetrahana tahaka ireny misy sy fahita any ivelany ireny ao anatiny. Efa an-dalam-pahavitana ny foto-drafitr’asa fa mamaraparana ireo pitsopitsony sisa ny tompon’andraikitra. Efa voapetaka avokoa ireo seza. Afaka mirehareaha amin’izay isika amin’ny lalao iraisam-pirenena toy itony. Koa aoka samy hanaja sy tsy hanimba ny fananana iombonana mba hanampiana amin’ny fampandrosoana ny firenentsika.
Nicole Rafalimananjara
