SocialTsidika

Tokony handraisana lesona ny tantaran’i Madagasikara

Manana ny tantarany nampiavaka azy i Madagasikara. Noezahina notsiahivina izy ireny mba ahafahana mandinika ny zava-mitranga, ny efa vita, ary ny manodidina azy. Nivoatra araka ny fandrosoan’ny taona sy ny zava-misy moa ny tantara. Tao anatin’izany ny fotoana nampalahelo, ary teo ihany koa ny nampitraka ny vahoaka Malagasy. Azo ambara fa mitondra fandrosoana ho antsika ny fahafantarana ny tantara. Handraisana lesona mantsy izy ireny mba hanorenana ho avy mamiratra. Vao notsihivintsika tsy ela akory izany ny raharaha 29 martsa 1947, izay nahafatesan’ireo mahery fo teto amin’ny firenena nohon’ny fitakiana ny fahaleovantena. Tsy io fotoana io ihany fa daty maro no manan-danja sy tsaroantsika hatrany eto amin’ny firenena. Tato anatin’ny fotoana vitsy izay, tsikaritra fa hadinon’ ny Malagasy tatoato ny tantara ka lasa tsy mandray lesona amin’ny zava misy isika hoy ny mpahay tantara iray. Miankina tanteraka amin’ny kisendrasendra sy ny fahatairana isika matetika ka manjary miteraka voka-dratsy ho an’ny firenena indray aza izany. Inona ary no vahaolana mba hialana amin’ny fahapotehan’ny firenena ? Zava-dehibe ny fampitàna ny fanabeazana netim-paharazana ho an’ny tanora mba hahafahan’izy ireo manangana ho avy mamiratra. Ny tanora izay andry iankinan’ny firenena aloha no tokony mahafantatra tsara ny tantara vao miroso amin’ny tontolo politika sy ny sehatra maro. Tsindrin’ny fanjanahantsaina ny fanabeazana ka mila fanarenana. Noho izany, ilaina ny miverina amin’ny famakafakana ny zava-misy taloha mba ho taratry ny ho avy mamiratra.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire