Manana tanjona hampiakatra ny harinkarena faobe ny fanjakana Malagasy
Mandrefy ny sandan’ny entana sy serivisy vokarina ao amin’ny firenena anatin’ny taona iray ny harinkarena faobe. Izany hoe mandrefy ny famokarana harena ihany koa izy io. Heverina fa handrefesana ny tahan’ny fitomboana ny taratry ny hetsika rehetra ara-toekarena anatin’ny firenena iray, ary ny fanovana ny harin-karena faobe avy amin’ny vanim-potoana iray mankany amin’ny iray hafa. Antony mampihena izany ny tsy fandehanan’ny toekarem-pirenena ,ka miteraka tsy fandrosoana eo amin’ny lafiny rehetra. Ho antsika teto Madagasikara, ny taona 2020, nitotongana hatrany amin’ny 2,8% ny harinkarena faobe teto amitsika. Midika izany fa tena nampihena ny sehatra ekonomika ny fandalovan’ny valan’aretina. Ahiana araka izany ny hitomboan’io fitotonganana io raha miverina mitsahatra indray ny fampandrosoana ara-ekonomika eto an-toerana. Anisan’ny sehatra hiankinan’izany anefa ny sehatry ny fizahantany, ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ny sehatry varotra iraisam-pirenena sy ny fanondranana ny vokatra. Manoloana ireo tetikasa vinavinai’ny fanjakana anefa, fanirian’izy ireo ny hampiakatra io harinkarena io hatrany amin’ny 4,5% amin’ity taona 2021 ity. Miankina amin’ny fahavitan’ny tetikasa sy ny velirano koa anefa izany. Miankina amin’ny fandrosoan’ny harena ao amin’ny firenena mantsy no azo hamaritana na tsia ny fahatratrarana io tanjona io. Isika rahateo mbola tafiditra ao anatin’ny valan’aretina, olana mipetraka ny mety ho fiatoana indray eo amin’ny fampidiram-bola sy ara-ekonomika ka hampitarazoka ny fandrosoana indray.
Fanilo Rarivoarilala
