SocialTsidika

Tena ilain’ny vahoaka tokoa ve ny tetik’asa Tanamasoandro ?

Anisan’ireo vina napetraka nandritra ny fampielezan-kevitra 2018 ny hanganana ny tetik’asa Tanamasoandro. Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Ministra ny Alarobia 31 Martsa lasa teo ny hanafaingana ity tetik’asa ity satria mila vitaina amin’ny 2023 izany. Tapaka ihany koa fa any Tsimahabeomby Imeritsiatosika no hananganana azy ary efa atomboka ny asa indrindra ny fanamboarana ny lalana makany. Trano roapolo mahery no eritreretina ho hatsangana amin’izany toerana izany. Tena laharam-pahamehana tokoa ve izany amin’izao ? Tamin’ny taona 2018 nandrafetana ny tetik’asa manko tsy mbola nisy nahalala izany COVID-19 izany. Naneho hevitra tao amin’ny onjam-peo iray tsy miankina i Pasteur André Mailhol, Filoha Mpanorina ny Fiangonana Apokalipsy mikasika izany izy. Nambarany fa tsy mahamaika ny fananganana foto-drafitr’asa fa ny fanafoanana ny aretina no laharam-pahamehana. Ny vola anaovana ireny tetik’asa bedebe ireny no tokony hamatsiana ny vahoaka mba hahafahana miaina tsara mandritra izany fihibohana izany. Tokony mifanaraka ny zava-misy lalovan’ny firenena ny asa ataon’ny fanjakana, miankina amin’io ny ain’ny vahoaka. Marina fa ilaina ny mametraka asa hita maso sy azo tsapain-tanana fa tena ilain’ny vahoaka tokoa ary ve ? Tsy mbola misy mahita izao 2023 fa ny ankehitriny aza tsy zarizary, eo ihany koa ity valan’aretina ity izay mbola tena baraingo raha ho tafavoaka ihany isika na tsia.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire