Ambohimanambola : Miankina amin’ny vahoaka ihany ny fampandrosoana ny tanàna
Tanàna sady miavaka no manana ny lazany sy ny mampiavaka azy ny Kaominina Ambohimanambola, eto Avaradrano. Maro ny toerana tsara sy azo tsidihana ao an-toerana kanefa raha ny olombelona manodidina azy ihany no hisehoan’ny lanjany. Hita mantsy fa tsy voafehy ny fahadiovana any an-toerana kanefa ny fahadiovan’ny tanàna no miantoka ny hatsarany sy ny lazany.
« Sady maloto ny tanàna no mitabataba toy ny aty Morarano sy Ampahimanga ary Tanjonandriana, kanefa miainga amin’ny fihetsika kely toy izany ny fandrosoana » hoy i Lanto, mponina ao Tanjonandriana. « Tsy miankina amiko samirery ny fandrosoana fa amintsika rehetra. aha tena miasa aza ny tompon’andrikitra ka tsy toy izany kosa ny vahoaka dia zava-poana ihany izany, raha hametraka toerana fanariam-pako kanefa ny vahoaka tsy ao akory no manary fako dia atao inona ilay fanariam-pako napetraka ? » hoy ny tompon’andraikitra ao Ambohimanambola.
« Io tsy miankina amin’ny fahendren’ny mpitondra fa miankina indrindra amin’ny fahendren’ny vahoaka izay tia manaraka ny lalàna sy ny lamina apetrakin’ny mpitondra, izay no tena herin’ny fandrosoana » hoy i Mirana, mpianatra « sociologie » eny amin’ny anjerimanontolo. Ambara matetika tokoa fa ny mpitondra no tena ivon’ny fandrosoana kanefa fanjakana demokratika i Madagasikara ka ny vahoaka noho izany no tena ivon’ny fandrosoana. Mila mahay misafidy ny mpitarika azy ny vahoaka raha tiana ho lasa lavitra ny firenena. Olona toy ny ahoana anefa no tena mendrika ny ho mpitarika ny firenena ?
Nicole Rafalimananjara
