SocialTsidika

Ambodiala Talata volonondry : Tanànan’ny mpisehatra amin’ny fambolena tongolo

Fokontany iray ao amin’ny kaominina Talata volonondry i Ambodiala, voahodididna fokontany maromaro izy ary tsy lavitry ny kaominina. Raha miainga avy any Antananarivo Renivohitra dia 24km ny halaviran-dalana. 5km kosa raha miala eo Talata volonondry.

Manana mponina manodidina ny arivo eo ho eo izy, ary tantsaha avokoa ny 80% amin’ny mponina, ka rehefa amin’ny vanim-potoana ny fararano dia ny voly vary no madera eny an-tsaha eny, fa rehefa amin’ny vanim-potoana lohataona koasa dia ny voly tongolo no malaza. Efa tsy zoviana min’ny olona intsony mantsy izany tanàna izany raha eo amin’ny resaka famblena tongolo, ary ankabeazan’ny tongolo amidy any Antananarivo Renivohitra aza, ka vokatra avy eto an-toerana dia avy ao Talata volonondry avokoa, indrindra fa Ambodiala.

Raha ara-tantara, raha ny fitantaran’i René, zana-tany ao an-toerana dia « Miarinarivo no anaran’ny tanàna taloha ary nafindra teto kosa ny tanànan’Ambodiala izay toerana rakotra ala teo akaikin’i Miarinarivo, arak’izay ala betsaka izay indridra no nahatonga ilay hoe “Ambodiala”. Raha ny finoan’ny olona any indray dia nisy ny afon’angatra fahiny teo amin’ilay toerana nisy ilay ala. Tsy azo itondrana henan’ondry io toerana io fahiny noho ny filazan’ny olona fa tian’ny angatra izany ».

Tamin’ny andron-dRalambo sy Rabiby dia isan’ireo zana-bohitr’Ambohidrabiby izy. Rehefa tonga ny taom-baovao Malagasy fahiny dia miakatra eny Ambohidrabiby ny olona manao ny afo tsy maty (toy ireny arendrina amin’izao ireny) ary ny zana-bohitra rehtra no miakatra mamonjy izany ka isan’izany ny ao Ambodiala.

Ahitana tsangam-bato iray eo ampovoan-tanànan’Ambodiala ary mampatsiahy sy manamarika ny velirano nisy teo amin’ny tanàna fahiny izany, ny velirano dia solon’nitony tribonaly sy lalàna amin’izao itony taloha, rehefa hanao zavaratra iray dia mila manao tsitsika na velirano, ka ny tanàna tsirairay koa dia samy manana ny velirano mifehy azy. Namono ondry ireo mpitantana ny tanàna sy ireo mponina mba homarka ity joro natao ity, ary ondry nohazaina tany an-tsaha sy noborahana tany izy io. Nisy fotona isy nanasina teo amin’io vato io taloha.

Noho ny fanjàna ny fomba amam-panao fahiny dia nanaraka tsra ny drafitra mifehy ny tanàna ireo olona mponina ao, mifanakaiky avokoa ny zavatra mitovy ka hany ka na hatramin’ny fiangonana aza dia mifanakaiky ihany koa, satria dia iray tokotany mihitsy ny fiangonana Katolika sy Prostestanta. Zary lasa nato ho mariky ny firaisan-kina koa izany velirano izany izay tena sarobidy tamin’ny olona taloha.

Na dia tsy tanàna andalam-pandrosoana be aza izy amin’ny maha ambanivohitra azy dia mitàna ny kolotsaina sy vakoka ananany kosa. Na dia efa tsy misy intsony aza ilay ala naha Ambodiala azy dia mbola manana ny natiora mampiavaka azy izy. Raha liana sy te ahita izany fomba fambolena sy fanirin’ny tongolo izany koa dia azo atao ny mitsidika ny tanànan’Ambodiala.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire