Hisy ny paik’ady hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro
Mila hamafisina ny fiaraha-miasan’ny rehetra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro satria isika rehetra no hiara-hisitraka ny tombontsoa avy eo. Nisy noho izany ny fampiofanana mpiasa maro eo amin’ny Ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy niaraka tamin’ny GIZ nanomboka ny 21 septambra teo hatramin’ny 25 septambra ho avy izao manodidina izay fiovaovan’ny toetr’andro izay
« Teboka maro no velabelarina nandritra io fampiofanana io toy ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao, ny olana sy ny fiatraikany ary rehefa vita ity fiofanana ity dia hisy ny soso-kevitra hitadiavana famatsiam-bola amin’io ady io » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. « Isan’ny zava-dehibe ny fampiasana sy ny fikirakirana ny antontan-kevitra mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro izay isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao kanefa tsy ho vita irery ny ady fa hiarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra » hoy i Andrianainarivelo Hajo, Minisitry ny fanajariana ny tany.
« Ny fahaizana mandritra ny paik’ady sy ny fanarahana ireo toromarika no hahafahana miaro ny tontolo iainantsika ka tsy ho vesatra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fiovaovan’ny toetr’andro » hoy i Mihanta, isan’ny mpaisa niofana nandritra io fotoana io. Ny fahaloton’ny rivotra, ny fiakaran’ny maripana mihoatra ny tokony ho izy, ny faharinganan’ny zava-manan’aina samihafa no endrika hisehoan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Mila atsangana ireo tetik’asa entina hiaroavana amin’izany izay ilàna ireo mpamatsy vola, saingy tsy ireo Ministera irery fa isika vahoaka mihitsy aza no tena tokony hiara-hisalahy amin’izany ady izany.
Nicole Rafalimananjara
